-
Isaia 39:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 ‘Hisy hoentina any koa ny zanakao lahy izay haterakao, ka ho lasa tandapa any amin’ny lapan’ny mpanjakan’i Babylona.’”+
-
-
Jeremia 22:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 “‘Raha mbola velona koa aho’, hoy i Jehovah, ‘dia hotsoahako hiala eo an-tanako ianao, ry Konia*+ zanak’i Joiakima,+ mpanjakan’ny Joda, na dia toy ny peratra fanombohan-kase eto amin’ny tanako ankavanana aza! 25 Dia hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hamono anao* sy ireo atahoranao ianao, dia i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sy ny Kaldeanina.+
-
-
Jeremia 52:31, 32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Tamin’ny taona faha-37 nanaovana sesitany an’i Joiakina+ mpanjakan’ny Joda, tamin’ny andro faha-25 amin’ny volana faha-12, tamin’ny taona naha lasa mpanjaka an’i Evila-merodaka mpanjakan’i Babylona, dia nafahany* i Joiakina mpanjakan’ny Joda ka navoakany avy tao am-ponja.+ 32 Tsara fanahy taminy i Evila-merodaka, ary nomeny toerana ambony noho ireo mpanjaka hafa niaraka taminy tany Babylona i* Joiakina.
-