-
Ezra 9:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Ary hoy aho: “Andriamanitro ô! Menatra sy sadaikatra aho ny hiandrandra any aminao, ry Andriamanitro ô! Fa lasa be dia be ny fahadisoanay ka mihoatra ny lohanay, ary efa manakatra ny lanitra ny helokay.+
-
-
Nehemia 1:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Mba miangavy anao re aho mba hanongilan-tsofina sy hanokatra ny masonao, ka hihaino an’izao vavaka ataon’ny mpanomponao izao e! Mivavaka andro aman’alina+ momba ny Israelita mpanomponao aho, sady miaiky ny fahotana nataon’ny vahoakan’Israely taminao. Samy efa nanota izahay, na izaho na ny fireneko.*+
-
-
Daniela 9:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Efa nanota izahay, ka nanao fahadisoana sy nanao ratsy ary nikomy.+ Tsy nanaraka ny didinao sy ny didim-pitsaranao intsony izahay.
-