-
Deoteronomia 30:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 “Rehefa tanteraka aminao daholo ireo teny ireo, izany hoe ny fitahiana sy ny ozona izay nasaiko nisafidiananao,+ ka tsaroanao* ireo+ any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao,+ 2 ary miverina amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao+ ka mihaino ny feony ianao sy ny zanakao, araka ny didy rehetra omeko anao anio, sady manao an’izany amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo,+ 3 dia hoentin’i Jehovah Andriamanitrao miverina ny vahoakanao natao babo,+ ary hiantra anao izy+ ka hanangona anao indray avy any amin’ny firenena rehetra anaparitahan’i Jehovah Andriamanitrao anao.+
-
-
Daniela 9:2, 3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 tamin’ny taona voalohany nanjakany, dia nandinika an’izay voalaza ao amin’ny boky* izaho Daniela. Lasa fantatro ny isan’ny taona haharava an’i Jerosalema,+ izay efa nolazain’i Jehovah tamin’i Jeremia mpaminany. Fantatro àry fa 70 taona izany.+ 3 Koa nitodika tany amin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, aho ka nivavaka sy nitalaho taminy. Nifady hanina+ sy niakanjo gony aho tamin’izay, dia nihosin-davenona.
-