-
Deoteronomia 4:25, 26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 “Raha miteraka sy manan-jafikely ianareo ka efa ela no nipetraka teo amin’ilay tany, nefa manao ratsy ka manao sary sokitra+ na sarin’inona izany na sarin’inona, ary manao izay ratsy eo imason’i Jehovah Andriamanitrareo ka mampahatezitra azy,+ 26 dia hataoko vavolombelona hiampanga anareo ny lanitra sy ny tany anio, hoe tsy ho ela ianareo dia tsy maintsy ho ripaka eo amin’ilay tany izay halainareo ho anareo eny ampitan’i Jordana. Tsy ho ela velona eo ianareo, fa ho ringana tanteraka.+
-
-
2 Mpanjaka 17:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Nolavin’i Jehovah ny taranak’Israely manontolo, ka naetriny sady natolony teo an-tanan’ny mpandroba. Nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany izy ireo tamin’ny farany.
-