-
Deoteronomia 29:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 dia hanontany izy ireo sy ny firenena rehetra hoe: ‘Maninona io tany io no nataon’i Jehovah hoatr’izao?+ Fa maninona izy no tena tezitra be?’ 25 Dia hilaza ny olona hoe: ‘Satria ry zareo nivadika tamin’ilay fifanekena nataon’i Jehovah+ Andriamanitry ny razambeny tamin’izy nitondra an-dry zareo nivoaka avy tany Ejipta.+
-
-
2 Mpanjaka 25:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Tamin’ny andro fahafiton’ny volana fahadimy, izany hoe tamin’ny taona faha-19 nanjakan’i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona, dia tonga tao Jerosalema i Nebozaradana lehiben’ny mpiambina ny mpanjakan’i Babylona sady mpanompony.+ 9 Dia nodorany ny tranon’i Jehovah+ sy ny tranon’ny* mpanjaka+ ary ny trano rehetra tao Jerosalema.+ Nodorany koa ny tranon’ny olona ambony rehetra.+
-
-
Jeremia 22:8, 9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 “‘Firenena maro no handalo eo akaikin’ity tanàna ity ka hifanontany hoe: “Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tanàna lehibe ity?”+ 9 Dia hisy hamaly hoe: “Satria nivadika tamin’ny fifanekena nifanaovany tamin’i Jehovah Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka tamin’ny andriamani-kafa sy nanompo an’ireny.”’+
-