-
2 Tantara 17:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary nanampy an’i Josafata foana i Jehovah. Nanao hoatran’izay nataon’i Davida+ razambeny mantsy izy sady tsy nitady an’ireo Bala. 4 Fa nitady an’ilay Andriamanitry ny rainy+ izy sady nanaraka* ny didiny, fa tsy nanao ny fanaon’ny Israely.+ 5 Koa nataon’i Jehovah mafy orina ny fanjakany.+ Ary nitondran’ny Joda rehetra fanomezana foana i Josafata, ka nahazo harena sy voninahitra be.+ 6 Lasa be herim-po izy ka nanaraka ny lalan’i Jehovah. Nesoriny mihitsy aza ireo toerana avo+ sy tsato-kazo masina*+ tao Joda.
-