-
2 Tantara 24:24, 25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Miaramila vitsy kely fotsiny anefa no nentin’ny tafika syrianina nanafika tany, nefa nataon’i Jehovah resin’izy ireo ny tafika lehibe tao Joda.+ Nahafoy an’i Jehovah Andriamanitry ny razambeny mantsy ny mponin’i Joda. Nampihatra didim-pitsarana tamin’i Joasy àry izy ireo.* 25 Dia lasa ny Syrianina, ka navelany teo i Joasy rehefa naratra be.* Ary niray tetika hamono azy ny mpanompony, noho izy nandatsaka ny ran’ireo* zanak’i Joiada+ mpisorona. Koa novonoin’izy ireo teo am-pandriana izy ka maty.+ Dia nalevina tao amin’ny Tanànan’i Davida izy,+ saingy tsy tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.+
-
-
2 Tantara 28:27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Ahaza, ka nalevina tao amin’ny tanànan’i Jerosalema, fa tsy nampidirina tao amin’ny fasan’ireo mpanjakan’ny Israely.+ Ary i Hezekia zanany no nanjaka nandimby azy.
-