-
2 Mpanjaka 11:5-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Dia nomeny baiko izy ireo hoe: “Izao no hataonareo: Ny ampahatelony aminareo izay miasa amin’ny Sabata, dia hiambina tsara ny tranon’ny* mpanjaka,+ 6 ny ampahatelony ho eo amin’ny Vavahadin’ny Fototra, ary ny ampahatelony ambiny ho eo amin’ny vavahady ao ambadik’ireo mpiambina ny lapa. Hifandimby hiambina an’ilay trano ianareo. 7 Ny antokony roa aminareo izay tsy tokony hiasa amin’ny Sabata no hiambina tsara ny tranon’i Jehovah mba hiarovana ny mpanjaka. 8 Tsy maintsy manodidina ny mpanjaka ianareo, ka samy hitana ny fitaovam-piadiany avy. Hovonoina ho faty izay rehetra mitsofotsofoka eo amin’ny laharan’ireo miaramila. Ary araho foana ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany.”*
-
-
1 Tantara 9:22-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Nisy 212 ny olona rehetra voafidy ho mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana. Napetraka tany amin’ny tanàna keliny izy ireo, araka ny nanoratana azy tao amin’ny tetirazany.+ Notendren’i Davida sy Samoela mpahita+ hanao an’izany andraikitra izany izy ireo, satria mendri-pitokisana. 23 Ireo sy ny taranany no niandraikitra ny fiambenana ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny tranolay. 24 Teo amin’ny lafiny efatra ireo mpiandry vavahady, izany hoe teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.+ 25 Indraindray dia tsy maintsy tonga mba hiaraka hanompo amin’izy ireo nandritra ny fito andro ny rahalahiny nipetraka teny amin’ny tanàna keliny.
-