-
1 Mpanjaka 1:39, 40Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
39 Nalain’i Zadoka mpisorona avy tao amin’ny tranolay+ ny tandroka nisy menaka,+ ka nohosorany ho mpanjaka i Solomona.+ Dia notsofina ny anjombona, ary niara-niredona ny olona rehetra hoe: “Ho ela velona anie i Solomona Mpanjaka!” 40 Niakatra nanaraka azy ny olona rehetra avy eo sady nitsoka sodina ary faly be, ka hoatran’ny hitresaka mihitsy ny tany noho ny kotaban’izy ireo.+
-