-
1 Mpanjaka 3:5-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Tamin’i Solomona tao Gibeona, dia niseho taminy tao amin’ny nofy i Jehovah indray alina. Hoy Andriamanitra taminy: “Angataho izay tianao homeko anao.”+ 6 Dia hoy i Solomona: “Nasehonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao, noho izy tsy nivadika sy nanao ny marina ary nanompo anao tamin’ny fo madio. Ary mbola nasehonao taminy hatramin’izao izany fitiavana lehibe sy tsy fivadihanao izany, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy.+ 7 Koa ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, efa nataonao mpanjaka handimby an’i Davida raiko izaho mpanomponao, nefa izaho mbola kely* sady mbola tsy dia nahita fiainana.*+ 8 Ary ny mpanomponao no mitondra ny vahoaka nofidinao,+ dia olona maro be tsy voaisa sady tsy tambo isaina. 9 Mba omeo fo mankatò àry izaho mpanomponao mba hitsarako ny vahoakanao,+ sy hahaizako hanavaka ny tsara sy ny ratsy.+ Fa iza moa no mahay mitsara an’ireo vahoakanao be dia be* ireo?”
-