-
2 Mpanjaka 16:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Naniraka olona nankany amin’i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria àry i Ahaza, mba hilaza hoe: “Mpanomponao aho sady zanakao. Koa miakara hamonjy ahy amin’ny mpanjakan’i Syria sy ny mpanjakan’ny Israely, fa manafika ahy ry zareo.” 8 Dia nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ireo fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nalefany tany amin’ny mpanjakan’i Asyria mba hatao kolikoly.+
-
-
1 Tantara 5:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Nampirisihin’ilay Andriamanitry ny Israely àry i Pola mpanjakan’i Asyria,+—dia i Tilgato-pilnesera+ mpanjakan’i Asyria,—mba hanao sesitany ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase. Dia nentin’izy io nankany Hala sy Habora sy Hara ary tany amin’ny reniranon’i Gozana+ izy ireo, ka mbola any hatramin’izao.
-