-
Levitikosy 26:38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Dia ho faty any amin’ireo firenena ianareo,+ ary ho ripaka any amin’ny tanin’ny fahavalonareo.
-
-
2 Mpanjaka 17:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary tsy nitsahatra nanao an’ireo fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny vahoakan’Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy ireo, 23 mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony+ rehetra. Koa nesorina tamin’ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria.+ Ary mbola any izy ireo hatramin’izao.
-
-
Isaia 8:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 fa raha mbola tsy mahay miantso hoe ‘Dada’ sy ‘Neny’ ilay zaza, dia hoentin’ny olona ho any amin’ny mpanjakan’i Asyria ny fananan’i Damaskosy sy ny zavatra nobaboina tany Samaria.”+
-