FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 15:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Tamin’ny andron’i Peka mpanjakan’ny Israely i Tiglato-pilesera+ mpanjakan’i Asyria no nanafika sy naka an’i Iona, Abela-beti-maka,+ Janoha, Kedesy,+ Hazora, Gileada,+ ary Galilia izany hoe ny tanin’i Naftaly+ manontolo. Ary nataony sesitany tany Asyria+ ny mponina tao amin’ireo.

  • 2 Mpanjaka 16:8, 9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Dia nalain’i Ahaza ny volafotsy sy ny volamena tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ireo fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka, ka nalefany tany amin’ny mpanjakan’i Asyria mba hatao kolikoly.+ 9 Nanaiky ny fangatahany ny mpanjakan’i Asyria, ka niakatra hamely an’i Damaskosy ary naka azy io. Nataony sesitany tany Kira+ ny vahoaka tao, ary novonoiny ho faty i Rezina.+

  • 2 Mpanjaka 17:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

  • Isaia 7:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Fa mbola tsy mahay mandà ny ratsy sy mifidy ny tsara akory izy, dia efa hilaozana tanteraka ny tanin’ireo mpanjaka roa atahoranao ireo.+

  • Isaia 17:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ny fanamelohana an’i Damaskosy:+

      “Tsy ho tanàna intsony i Damaskosy any aoriana any,

      Fa ho lasa korontam-bato mivangongo sisa.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara