FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Jeremia 25:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Rehefa tapitra anefa ny 70 taona,+ dia hataoko ampamoaka* ny mpanjakan’i Babylona sy izany firenena izany noho ny fahadisoany’,+ hoy i Jehovah. ‘Ary hataoko tsy misy mponina sy ngazana mandrakizay ny tanin’ny Kaldeanina.+

  • Jeremia 29:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary hataoko izay hahitanareo ahy’,+ hoy i Jehovah. ‘Hangoniko izay babo eo aminareo, ary hovoriko avy any amin’ny firenena rehetra sy ny toerana rehetra nanaparitahako anareo ianareo’,+ hoy i Jehovah. ‘Dia hampodiko ao amin’ilay toerana nialanareo tamin’ianareo nalefako sesitany ianareo.’+

  • Jeremia 33:10, 11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 “Izao no lazain’i Jehovah: ‘Eto amin’ity toerana lazainareo hoe ngazana tsy misy olona na biby fiompy ity, izany hoe ao amin’ireo tanànan’i Joda sy ny lalan’i Jerosalema izay tsy misy olona na mponina na biby fiompy, dia mbola handrenesana 11 feon’olona mifaly sy miravoravo,+ feona mpampakatra sy ampakarina, ary feon’ireo olona milaza hoe: “Misaora an’i Jehovah Tompon’ny tafika fa tsara+ i Jehovah. Be fitiavana izy sady tsy mivadika mandrakizay!”’+

      “‘Hitondra fanatitra fisaorana ao an-tranon’i Jehovah+ izy ireo, satria hampodiko izay mponin’ity tany ity lasa babo ka ho lasa toy ny taloha izy ireo’, hoy i Jehovah.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara