FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 9:22-27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 22 Nisy 212 ny olona rehetra voafidy ho mpiandry vavahady teo amin’ny fidirana. Napetraka tany amin’ny tanàna keliny izy ireo, araka ny nanoratana azy tao amin’ny tetirazany.+ Notendren’i Davida sy Samoela mpahita+ hanao an’izany andraikitra izany izy ireo, satria mendri-pitokisana. 23 Ireo sy ny taranany no niandraikitra ny fiambenana ny vavahadin’ny tranon’i Jehovah,+ izany hoe ny tranolay. 24 Teo amin’ny lafiny efatra ireo mpiandry vavahady, izany hoe teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo.+ 25 Indraindray dia tsy maintsy tonga mba hiaraka hanompo amin’izy ireo nandritra ny fito andro ny rahalahiny nipetraka teny amin’ny tanàna keliny. 26 Efa-dahy no lehiben’ny mpiandry vavahady* nanao an’ilay andraikitra. Levita izy ireo ary mendri-pitokisana, ka niandraikitra an’ireo efitrefitra* sy ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra.+ 27 Samy nijanona teny amin’ny toerany, nanodidina ny tranon’ilay tena Andriamanitra izy ireo nandritra ny alina, satria anjarany ny niambina. Andraikiny koa ny lakile, ka izy ireo no nanokatra an’ilay trano isa-maraina.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara