-
2 Samoela 17:27-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 Raha vao tonga tao Mahanaima i Davida, dia ireny koa fa tonga ry Soby zanak’i Nahasy avy any Raba+ tanànan’ny Amonita, sy Makira+ zanak’i Amiela avy any Lo-debara, ary Barzilay+ Gileadita avy any Rogelima. 28 Nitondra fandriana sy koveta ary vilany tanimanga izy ireo, sady nitondra varimbazaha, vary orza, lafarinina, voam-bary natono, tsaramaso be, lantihy, voam-bary nohamainina, 29 tantely, dibera, ondry, ary fromazy.* Naroson’izy ireo hohanin’i Davida sy ny olona niaraka taminy ireo rehetra ireo.+ Hoy mantsy izy ireo: “Noana sy reraka ary mangetaheta ny olona any an-tany efitra.”+
-
-
2 Samoela 19:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ary nidina avy any Rogelima i Barzilay+ Gileadita ka nankany amin’ny faritr’i Jordana, mba hiaraka amin’ny mpanjaka hatreo amin’ny Reniranon’i Jordana.
-