10 Ary ny mpisorona hanao akanjo fisoronana vita amin’ny lamba rongony,+ sy kilaoty lava vita amin’ny lamba rongony+ hanaronana ny fitanjahany. Dia hesoriny ny lavenona+ avy amin’ny fanatitra dorana, izay nolevonin’ny afo teo ambony alitara, ka hataony eo akaikin’ny alitara.