-
Ezra 10:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Koa raha mety re dia aleo ny andriananay no hisolo tena ny fiangonana manontolo e!+ Ary aleo izay rehetra manambady vehivavy hafa firenena ao amin’ny tanànanay no ho tonga amin’ny fotoana voatondro, miaraka amin’ny anti-panahy sy ny mpitsaran’ny tanàna tsirairay. Amin’izay dia hilamina ity raharaha ity, ka tsy ho tezitra be amintsika intsony ilay Andriamanitsika.”
15 Tsy nanaiky an’izany anefa i Jonatana zanak’i Asahela sy Jahaza zanak’i Tikva, ary nanampy azy ireo koa i Mesolama sy Sabetahy+ izay samy Levita.
-