-
Ezra 6:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka, dia nanome an’izao baiko izao momba ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema i Kyrosy Mpanjaka:+ ‘Aoreno indray ilay trano ka ao no hanaovana sorona. Ataovy mafy tsara ny fototr’ilay trano. Tokony hatao 60 hakiho* ny haavony, ary 60 hakiho ny sakany.+
-
-
Ezra 7:21-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “Izaho, Artaksersesy Mpanjaka, dia manome baiko anareo mpitahiry ny harenam-panjakana rehetra any amin’ny faritra Ampitan’ny Renirano,* hoe tokony homenareo avy hatrany izay rehetra angatahin’i Ezra+ mpisorona, ilay mpanao dika soratra* ny Lalàn’ilay Andriamanitry ny lanitra. 22 Omeo azy izay angatahiny na dia hatramin’ny volafotsy 100 talenta,* varimbazaha 100 kora,* divay+ 100 bata,* ary menaka+ 100 bata aza. Omeo azy koa izay sira+ rehetra ilaina. 23 Tanteraho daholo ny baikon’ilay Andriamanitry ny lanitra ho an’ny tranony. Tokony hafana fo ianareo rehefa manao an’izany, amin’izay ilay Andriamanitry ny lanitra+ tsy ho tezitra amin’ny vahoaka ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka sy amin’ny zanaky ny mpanjaka.+ 24 Ilazana koa ianareo fa tsy azo atao ny mitaky hetra na haba+ na hetran-dalana amin’ny mpisorona, ny Levita, ny mpitendry zavamaneno,+ ny mpiandry varavarana, ny mpanompo ao amin’ny tempoly,*+ ary ny mpiasa ao amin’io tranon’Andriamanitra io.
-