-
Estera 8:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Voalaza tao amin’ireny taratasy ireny fa navelan’ny mpanjaka hifamory sy hiaro ny ainy ny Jiosy tany amin’ny tanàna rehetra. Navelany koa izy ireo hamono sy handringana ary handripaka an’izay tafiky ny firenena na faritany mety hanafika azy, anisan’izany ny zaza amam-behivavy, dia avy eo haka ny fananan’ireny.+ 12 Tokony hatao andro iray ihany izany any amin’ny faritany rehetra manerana ny fanjakan’i Ahasoerosy Mpanjaka, dia ny faha-13 amin’ny volana faha-12, izany hoe ny volana Adara.*+
-