-
Estera 3:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Dia nantsoina ny mpitan-tsoratry+ ny mpanjaka tamin’ny andro faha-13 amin’ny volana voalohany. Nosoratan’izy+ ireo daholo ny didy navoakan’i Hamana ho an’ny lehibem-paritany notendren’ny mpanjaka sy ny governoran’ny faritany ary ny mpifehy isam-pirenena. Nosoratana araka izay soratra fampiasan’ny faritany* tsirairay sy ny fitenin’ny firenena tsirairay izany. Natao tamin’ny anaran’i Ahasoerosy Mpanjaka koa ilay izy, sady notombohina tamin’ny peratra fanombohan-kaseny.+
-
-
Estera 3:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Navoaka ho lalàna tany amin’ny faritany rehetra àry izay voasoratra tao amin’ilay taratasy. Nolazaina tamin’ny olona rehetra ilay izy, amin’izay ny olona hiomana ho amin’izany andro izany.
-