-
Ohabolana 14:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Mitandrina tsara ny hendry ka miala amin’ny ratsy,
Fa ny adala kosa tsy miraharaha mihitsy* sady matoky tena loatra.
-
-
Daniela 5:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ry mpanjaka ô! Nomen’ilay Andriamanitra Avo Indrindra an’i Nebokadnezara rainao ny fanjakana sy ny fahalehibeazana sy ny voninahitra ary ny fahefana.+
-
-
Daniela 5:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Nirehareha anefa ny fony ary lasa mafy loha izy, ka lasa sahisahy ratsy nanao ny tsy tokony hatao.+ Koa naongana tsy ho eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, ary nesorina taminy ny voninahiny.
-
-
Romanina 2:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Mafy loha anefa ianao ary tsy mety mibebaka ny fonao, ka hoatran’ny hoe manangona ny fahatezeran’Andriamanitra ho anao amin’ilay andro hanamparany ny hatezerany sy hitsarany araka ny rariny ianao.+
-