FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 “Aza manao tsinontsinona ny anaran’i Jehovah Andriamanitrao,+ fa tsy havelan’i Jehovah ho afa-maina izay manao tsinontsinona ny anarany.+

  • Joba 4:18-20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 18 Jereo fa ny mpanompony aza tsy atokisany,

      Ary ny anjeliny* aza hitany hoe misy tsininy,

      19 Mainka fa ireo mipetraka ao amin’ny trano tanimanga,

      Izay miorina eo amin’ny vovoka,+

      Ka mora torotoroina toy ny bibikely!*

      20 Mbola tsy hariva ny andro dia efa potipotika ireny,

      Maty mandrakizay izy nefa tsy misy miraharaha.

  • Joba 22:2, 3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  2 “Mila olona angaha moa Andriamanitra?

      Sa mahasoa azy ny olona lalin-tsaina?+

       3 Na manao ny marina aza ianao, inona moa no iraharahian’ilay Mahery indrindra an’izany?*

      Sa misy tombony ho azy satria hoe tsy mivadika aminy ianao?+

  • Joba 25:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  5 Na ny volana aza tsy mamiratra,

      Ary na ny kintana aza tsy madio eo imasony,

       6 Koa mainka fa ny olombelona mety maty, izay toy ny olitra,

      Ary ny zanak’olombelona, izay toy ny kankana!”

  • Joba 42:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Koa makà ombilahy fito sy ondrilahy fito, ka mankanesa any amin’i Joba mpanompoko, ary manolora fanatitra dorana noho ny fahotanareo. Dia hivavaka ho anareo+ i Joba mpanompoko. Hohenoiko tokoa ilay fangatahany* hoe mba tsy hovaliako araka ny hadalanareo ianareo. Tsy nilaza ny marina momba ahy mantsy ianareo, tsy mba hoatran’i Joba mpanompoko.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara