-
Nomery 11:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy i Mosesy tamin’i Jehovah: “Fa maninona no ampijalinao izaho mpanomponao? Fa inona no nataoko no tsy faly amiko ianao, dia izaho no asainao mitondra an’ireo vahoaka rehetra ireo, nefa enta-mavesatra amiko ry zareo?+
-
-
Nomery 11:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tonga dia vonoy izao dia izao mihitsy re aho+ raha hoatr’izao no ataonao amiko e! Raha mba ankasitrahanao ihany aho, dia aza avela hahita fahoriana hafa intsony.”
-
-
1 Mpanjaka 19:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Natahotra àry i Elia ka nandositra mba hamonjy ny ainy.+ Tonga tany Beri-sheba+ any Joda+ izy, ary navelany tao ny mpanompony. 4 Izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra. Dia nipetraka teo ambany anjavidy iray izy, ary nangataka ny ho faty. Hoy izy: “Aoka izay! Esory amin’izay ny aiko,+ Jehovah ô, fa tsy tsara noho ny razambeko aho.”
-
-
Jona 4:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Jehovah ô! Esory re ny aiko e, fa aleoko maty toy izay velona.”+
-