-
Salamo 84:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Manimanina daholo ny hatrany anatiko lalina any,
Eny, tena tsy andriko mihitsy
Ny ho any an-tokotanin’ny tranolain’i Jehovah.+
Mihoby an’ilay Andriamanitra velona ny foko sy ny tenako manontolo.
3 Na ny vorona aza mahita trano any,
Ary ny sidintsidina mahita akany
Hikarakarany ny zanany
Eny akaikin’ny alitaranao be voninahitra, ry Jehovah Tompon’ny tafika ô,
Ry Mpanjakako sy Andriamanitro!
4 Sambatra ny olona mipetraka ao an-tranonao!+
Midera anao+ foana izy ireo. (Sela)
-
-
Salamo 84:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Fa ny indray andro eo an-tokotaninao dia tsara noho ny arivo andro any an-toeran-kafa!+
Aleoko mijoro eo an-tokonam-baravaran’ny tranon’ny Andriamanitro,
Toy izay hipetraka ao amin’ny tranolain’ny ratsy fanahy.
-