FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 19:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Dia hoy i Elia: “Tena nafana fo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah Andriamanitry ny tafika+ aho. Fa efa nivadika tamin’ny fifanekena nataonao taminy+ ny vahoakan’Israely. Noravany ny alitaranao, ary novonoiny tamin’ny sabatra ny mpaminaninao,+ dia izaho irery sisa no tavela. Dia mbola mitady hamono ahy* koa ry zareo izao.”+

  • Salamo 119:139
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 139 Toy ny afo miredareda ato anatiko ny hafanam-poko,+

      Satria nohadinoin’ny fahavaloko ny teninao.

  • Matio 21:12, 13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Ary niditra tao amin’ny tempoly i Jesosy ka noroahiny daholo izay nivarotra sy nividy tao. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.+ 13 Dia hoy izy tamin’ireo: “Voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana’,+ nefa ianareo manao azy ho lava-bato fiafenan’ny jiolahy.”+

  • Marka 11:15-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Tonga tao Jerosalema izy ireo avy eo. Dia niditra tao amin’ny tempoly izy, ka nanomboka nandroaka an’izay nivarotra sy nividy tao. Nazerany koa ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ny mpivarotra voromailala.+ 16 Tsy nisy navelany hanivaka teo amin’ny tempoly koa izay olona nitondra entana. 17 Dia nampianatra izy hoe: “Angaha tsy voasoratra hoe: ‘Ny tranoko hantsoina hoe trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra’?+ Fa ianareo kosa manao azy ho lava-bato fiafenan’ny jiolahy.”+

  • Jaona 2:13-17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Efa akaiky ny Paskan’ny+ Jiosy, ka niakatra tany Jerosalema i Jesosy. 14 Ary nahita olona nivarotra omby aman’ondry sy voromailala+ tao amin’ny tempoly izy, sady nahita mpanakalo vola samy nipetraka teny amin’ny sezany. 15 Nanamboatra karavasy tady àry izy, ka noroahiny tao amin’ny tempoly daholo izy rehetra, niaraka tamin’ireo ondry sy omby. Nararany koa ny vola madiniky ny mpanakalo vola sady nazerany ny latabatr’ireny.+ 16 Ary hoy izy tamin’ireo nivarotra voromailala: “Ento mivoaka any ireo! Aza atao trano fivarotana* intsony ny tranon’ny Raiko!”+ 17 Dia tadidin’ny mpianany ilay voasoratra hoe: “Hiredareda ato anatiko ny hafanam-poko ho an’ny tranonao.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara