5 Hampanaovina akanjo fotsy+ àry izay mandresy.+ Dia tsy hovonoiko* ao amin’ny bokin’ny fiainana mihitsy ny anarany,+ fa hekeko eo anatrehan’ny Raiko sy eo anatrehan’ny anjeliny hoe fantatro ny anarany.+
8 Dia hivavaka aminy daholo ny mponina eto an-tany. Efa hatramin’ny nanorenana an’izao tontolo izao ny anaran’izy ireo no tsy nisy voasoratra tao amin’ny horonam-bokin’ny fiainana.+ An’ilay Zanak’ondry efa novonoina ho faty+ io horonam-boky io.