-
2 Samoela 12:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Noho izany, dia hisy ho fatin’ny sabatra foana ao amin’ny ankohonanao,+ satria nanao tsinontsinona ahy ianao rehefa naka ny vadin’i Oria Hetita ho vadinao.’ 11 Izao no lazain’i Jehovah: ‘Hahatonga loza ho anao avy ao amin’ny ankohonanao+ ihany aho. Ary halaiko eo imasonao ireo vadinao, ka homeko ho an’ny lehilahy hafa.*+ Dia hanao firaisana amin’izy ireo amin’ny antoandrobenanahary*+ izy.
-