- 
	                        
            
            Jeremia 25:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        15 Fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely tamiko: “Raiso etỳ an-tanako ity kaopy misy ny divain’ny fahatezerako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra anirahako anao. 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Jeremia 25:28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        28 Ary raha tsy mety mandray an’ilay kaopy eny an-tananao izy ireo ka tsy mety misotro, dia lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy misotro an’ity ianareo! 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Jeremia 49:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        12 Fa izao no lazain’i Jehovah: “Raha ireo tsy voasazy hisotro amin’ny kaopy aza tsy maintsy misotro amin’ilay izy, dia ianao indray ve no havela ho afa-maina fotsiny? Tsy havela ho afa-maina ianao, fa tsy maintsy hisotro amin’ilay kaopy.”+ 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Apokalypsy 14:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        9 Tonga ny anjely fahatelo avy eo, niantsoantso mafy hoe: “Raha misy mivavaka amin’ny bibidia+ sy ny sariny ka mandray marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany,+ 10 dia hisotro amin’ny divain’Andriamanitra koa izy, izany hoe ny fahatezeran’Andriamanitra.+ Araraka tsy mitampoka ao anatin’ny kaopin’ny fahatezeran’Andriamanitra izany divay izany. Dia hampijalina amin’ny afo sy solifara+ eo imason’ny anjely masina sy ny Zanak’ondry izy. 
 
-