-
Jeremia 25:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
27 “Koa lazao amin’izy ireo hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely: “Misotroa, manaova mamo, mandoava, ary mianjerà mba tsy ho tafatsangana intsony+ ianareo, noho ny sabatra alefako hamely anareo.”’ 28 Ary raha tsy mety mandray an’ilay kaopy eny an-tananao izy ireo ka tsy mety misotro, dia lazao aminy hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah Tompon’ny tafika: “Tsy maintsy misotro an’ity ianareo!
-
-
Obadia 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Nisotro divay teo amin’ny tendrombohitro masina ianareo,
Dia hisotro ny divain’ny fahatezerako hoatr’izany foana koa ny firenena rehetra,+
Ary hisotro sy hitelina an’izany izy ireo,
Ka ho lasa hoatran’ny tsy nisy akory.
-