FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 9:16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 Izao anefa no tena antony mbola namelako anao ho velona: Mba hampisehoana aminao ny heriko sy mba hanambarana ny anarako eran-tany.+

  • Isaia 52:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nataon’i Jehovah hitan’ny firenena rehetra ny sandriny masina,+

      Ary ho hitan’ny vazan-tany efatra ny zavatra nataon’ilay Andriamanitsika mba hamonjena ny vahoakany.*+

  • Daniela 3:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 Koa mamoaka didy aho fa hotetitetehina izay vahoaka na firenena na olona avy amin’ny fiteny samy hafa ka miteny zavatra hanoherana an’ilay Andriamanitr’i Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Hatao kabinem-bahoaka* koa ny tranony. Fa tsy misy andriamani-kafa mahavita mamonjy hoatr’azy.”+

  • Daniela 6:26, 27
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Mamoaka didy aho hoe tokony hangovitra sy hatahotra an’ilay Andriamanitr’i Daniela ny olona any amin’ny faritra rehetra eran’ny fanjakako.+ Fa izy no Andriamanitra velona sy maharitra mandrakizay. Tsy ho rava mihitsy ny fanjakany, ary maharitra mandrakizay ny fitondrany.+ 27 Mamonjy+ sy manafaka izy, ary manao famantarana sy zava-mahagaga eny amin’ny lanitra sy etỳ an-tany,+ satria namonjy an’i Daniela teny am-bavan’ny* liona.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara