FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 18:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Niakatra hanafika an’i Samaria i Salmanesera mpanjakan’i Asyria tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Hezekia Mpanjaka, izany hoe ny taona fahafito nanjakan’i Hosea+ zanak’i Elaha mpanjakan’ny Israely. Ary nanao fahirano an’ilay tanàna izy.+

  • 2 Mpanjaka 24:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Tonga nanafika an’ilay tany i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona tamin’ny andron’i Joiakima. Koa lasa mpanompon’i Nebokadnezara nandritra ny telo taona i Joiakima. Nikomy taminy anefa izy tamin’ny farany.

  • 2 Mpanjaka 25:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Tamin’ny andro fahafolon’ny volana fahafolo tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia, dia tonga hanafika an’i Jerosalema+ i Nebokadnezara+ mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo. Dia nitoby teo akaikin’i Jerosalema izy, ka nanangana manda nanodidina azy.+

  • 2 Tantara 32:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 32 Nasehon’i Hezekia tamin’izany rehetra izany fa tsy nivadika tamin’Andriamanitra izy.+ Taorian’izay, dia tonga i Sankeriba mpanjakan’i Asyria, ka notafihiny ny tanin’i Joda. Nataony fahirano ireo tanàna voaro mafy, satria tiany hogorobahana ny mandan’ireny tanàna ireny, sady tiany halaina ireny.+

  • Jeremia 39:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 39 Tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Zedekia mpanjakan’ny Joda, dia tonga nanao fahirano an’i Jerosalema i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona sy ny tafiny manontolo.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara