FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 53:teny mampiditra-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • Ho an’ny mpitarika; atao Mahalata.* Maskila* nataon’i Davida.

      53 Ny adala* miteny anakampo hoe:

      “Tsy misy izany Jehovah izany.”+

      Tena ratsy sy maharikoriko ny tsy rariny ataony;

      Tsy misy manao ny tsara izy ireo.+

       2 Andriamanitra anefa mitazana ny zanak’olombelona avy any an-danitra,+

      Mba hahitana raha misy olona lalin-tsaina ka mitady an’i Jehovah.+

       3 Nivily nankany amin’ny lalan-diso izy rehetra;

      Ratsy toetra daholo izy ireo.

      Tsy misy manao ny tsara,

      Na iray aza.+

       4 Tsy mba misy tonga saina ve ny mpanao ratsy?

      Arapany ny vahoakako, ka hohaniny hoatran’ireny mihinan-kanina ireny.

      Tsy mba miantso an’i Jehovah izy ireo.+

       5 Hatahotra be anefa izy ireo,

      Dia tahotra izay mbola tsy tsapany hatramin’izay.*

      Fa haparitak’Andriamanitra ny taolan’izay manafika anareo.*

      Hataonareo afa-baraka izy ireo satria efa nolavin’i Jehovah.

       6 Enga anie ka ho avy ao Ziona+ ny famonjena ny Israely!

      Rehefa ampodin’i Jehovah ny vahoakany lasa babo,

      Dia hifaly i Jakoba, ary hiravoravo i Israely.

  • Romanina 3:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 araka ny voasoratra hoe: “Tsy misy olo-marina, na iray aza.+ 11 Tsy misy olona lalin-tsaina, ary tsy misy olona mitady an’Andriamanitra. 12 Efa nivily nankany amin’ny lalan-diso daholo ny olona, ka samy tsy misy vidiny izy rehetra. Tsy mba misy mampiseho hoe tsara fanahy, na dia iray aza.”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara