FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 16:8-13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  8 “Misaora an’i Jehovah,+ ary miantsoa ny anarany.

      Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony!+

       9 Mihirà ho azy, manaova hira fiderana* ho azy!+

      Saintsaino* ny zavatra mahatalanjona rehetra nataony.+

      10 Ataovy ho reharehanareo ny anarany masina,+

      Ary enga anie ho faly ny fon’izay mitady an’i Jehovah!+

      11 Mitadiava an’i Jehovah+ ary miantehera amin’ny heriny.

      Mitadiava sitraka aminy foana.*+

      12 Tsarovy ny zavatra mahatalanjona nataony,+

      Sy ny fahagagana vitany ary ny didim-pitsarana nolazainy,

      13 Ry taranak’i Israely mpanompony,+

      Ry taranak’i Jakoba, dia ianareo olom-boafidiny.+

  • Salamo 96:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
  • Salamo 145:11, 12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Hanambara ny voninahitry ny fanjakanao+ izy ireo,

      Ary hiresaka momba ny herinao,+

      ל [Lameda]

      12 Mba hampahafantarana amin’ny olona ny asa nataonao tamin’ny herinao+

      Sy ny haja amam-boninahitry ny fanjakanao.+

  • Isaia 12:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Hiteny ianareo amin’izany andro izany hoe:

      “Misaora an’i Jehovah, ary miantsoa ny anarany.

      Ampahafantaro an’ireo firenena ny zavatra nataony,+

      Ary torio hoe misandratra ny anarany.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara