FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 16:14-18
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Izy no Jehovah Andriamanitsika.+

      Mihatra eran-tany ny didim-pitsarany.+

      15 Tsarovy mandrakizay ny fifanekena nataony,

      Ary tsarovy hatrany amin’ny taranaka arivo mifandimby ny fampanantenana nataony,*+

      16 Dia ilay fifanekena nataony tamin’i Abrahama,+

      Sy ilay fianianana nataony tamin’i Isaka.+

      17 Nataony fitsipika ho an’i Jakoba io fianianana io,+

      Sady fifanekena maharitra ela be ho an’i Israely.

      18 Fa hoy izy: ‘Homeko anao ny tany Kanana,+

      Ho anjara lovanao.’+

  • Isaia 26:9
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  9 Maniry anao amin’ny foko manontolo aho amin’ny alina,

      Ary mitady anao mafy aho, ao anatiko lalina ao.+

      Rehefa mitsara ny tany mantsy ianao,

      Dia hianatra momba ny fahamarinana ny mponina ao amin’ilay tany.+

  • Apokalypsy 15:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Iza no tsy hatahotra anao, Jehovah* ô, ary iza no tsy hanome voninahitra ny anaranao? Ianao irery ihany mantsy no tsy mivadika!+ Fa ho avy hivavaka eo anatrehanao ny firenena rehetra,+ satria efa naseho ny didim-pitsaranao ara-drariny.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara