-
Nomery 11:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Dia nisy rivotra nitsoka tampoka avy tamin’i Jehovah ka nitondra papelika avy tany an-dranomasina, ary nampilatsaka an’izany nanodidina ny toby.+ Niparitaka teny amin’ny manodidina rehetra teny ny papelika. Feno papelika daholo àry teo amin’ny ilany sy ilany amin’ny toby, hatrany amin’ny lalana iray andro teo ho eo, ary tokotokony ho roa hakiho* avy eo amin’ny tany ny haavony.
-
-
Nomery 11:33Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Raha mbola iny teo am-bavany iny anefa ny hena, ka mbola tsy voatsako akory, dia tezitra be tamin’ny vahoaka i Jehovah. Ary namely azy ireo i Jehovah, ka be dia be no maty.+
-
-
Salamo 78:29-31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Dia nihinana izy ireo ary nambosibosika;
Nomeny azy ireo izay niriny.+
30 Mbola tsy tena afa-po akory anefa izy ireo,
Sady mbola tao am-bavany ny sakafony,
31 Dia nisafoaka tamin’izy ireo Andriamanitra.+
Novonoiny ho faty ny lehilahy matanjaka indrindra tamin’izy ireo;+
Naripany ny tovolahy teo amin’ny Israely.
-