-
Deoteronomia 12:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Rehefa manompo an’i Jehovah Andriamanitrareo kosa ianareo, dia aza manao hoatran’ny fanaon-dry zareo. Zavatra maharikoriko an’i Jehovah sy halany daholo mantsy no ataon-dry zareo amin’ny andriamaniny, fa na ny zanany lahy sy ny zanany vavy aza dorany ao anaty afo ho an’ny andriamaniny.+
-
-
2 Mpanjaka 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Tamin’ny taona faha-17 nanjakan’i Peka zanak’i Remalia, no lasa mpanjaka i Ahaza+ zanak’i Jotama mpanjakan’ny Joda.
-
-
2 Mpanjaka 17:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Nandoro ny zanany lahy sy ny zanany vavy tao anaty afo+ koa izy ireo, sady nanao sikidy+ sy nitady fambara. Ary tsy nanan-tsaina afa-tsy ny hanao* izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ireo, mba hampahatezitra azy.
18 Tezitra be tamin’ny Israely àry i Jehovah, ka nesoriny tsy ho eo imasony+ izy ireo. Tsy navelany hisy hiangana, afa-tsy ny fokon’i Joda.
-
-
Jeremia 7:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 ‘Fa nanao izay ratsy teo imasoko ny vahoakan’ny Joda’, hoy i Jehovah. ‘Nataony tao amin’ilay trano mitondra ny anarako ireo sampiny maharikoriko, mba handotoana ny tranoko.+ 31 Nanorina an’ireo toerana avo ao Tofeta, ao amin’ny Lohasahan’ny Taranak’i Hinoma,*+ izy ireo, mba handoroany ny zanany lahy sy ny zanany vavy ao anaty afo.+ Tsy nandidy azy hanao an’izany anefa aho, ary tsy tao an-tsaiko* akory aza izany.’+
-