-
Deoteronomia 7:13, 14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Dia ho tia sy hitahy anao tokoa izy, ary hataony lasa be dia be ianao. Tena hotahiny tokoa ianao ka hataony lasa be dia be ny zanakao,+ ny vokatry ny taninao, ny varimbazahanao, ny divainao vaovao, ny menakao,+ ny zanak’ombinao, ary ny zanak’ondrinao, any amin’ilay tany nianianany tamin’ny razambenao hoe homena anao.+ 14 Ianao no hotahina indrindra amin’ny firenena rehetra.+ Hanan-janaka daholo na ny lehilahy na ny vehivavy eo aminao, na ny biby fiompinao.+
-