FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Asan’ny Apostoly 1:16-20
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 “Ry rahalahy, tsy maintsy tanteraka ny Soratra Masina, izany hoe ny faminaniana nolazain’ny fanahy masina tamin’ny alalan’i Davida momba an’i Jodasy,+ ilay nitarika an’ireo nisambotra an’i Jesosy.+ 17 Niaraka taminay mantsy izy taloha+ ary voafidy handray anjara amin’izao fanompoana izao koa. 18 —Izany lehilahy izany ilay nividy saha tamin’ny karama azony tamin’ny tsy fahamarinana.+ Ary nianjera izy ka ny lohany no lasa aloha. Dia nipoaka* ny vatany, ka nipotsaka daholo ny tao anatiny.+ 19 Fantatry ny mponina rehetra eto Jerosalema izany, ka natao hoe Akeldama, izany hoe “Sahan-dra”, ny anaran’io saha io amin’ny fitenin-dry zareo.— 20 Voasoratra ao amin’ny bokin’ny Salamo mantsy hoe: ‘Aoka ho foana ny fonenany ka tsy hisy honina intsony’,+ ary ‘Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikitra notanany.’+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara