-
Eksodosy 17:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Fa hitsangana eo anatrehanao, eo ambony vatolampy ao Horeba, aho. Kapohy ilay vatolampy, dia hisy rano hivoaka avy ao ka hisotro amin’izany ny vahoaka.”+ Dia nataon’i Mosesy teo imason’ny anti-panahin’ny Israely izany.
-
-
Nomery 20:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ary ningain’i Mosesy ny tanany ka nokapohiny indroa tamin’ny tehiny ilay vatolampy. Dia nisy rano be niboiboika, ka nisotro+ teo ny vahoaka sy ny biby fiompiny.
-
-
Deoteronomia 8:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 dia aza avela hiavonavona* ny fonao+ ka hahatonga anao hanadino an’i Jehovah Andriamanitrao. Izy mantsy no nitondra anao nivoaka avy tany Ejipta, avy tany amin’ny toerana nanandevozana anao.+ 15 Izy koa no nitarika anao hamakivaky an’ilay tany efitra lehibe sy mampahatahotra,+ izay misy bibilava misy poizina sy maingoka, sady tany karakaina tsy misy rano. Izy koa no namoaka rano avy tamin’ny vatolampy,+
-
-
Salamo 107:35Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Manova ny tany efitra ho farihy anirian’ny bararata izy,
Ary manova ny tany maina ho lasa be loharano.+
-