FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Salamo 115:4-8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  4 Volafotsy sy volamena ny sampin’izy ireo,

      Sady asa tanan’olombelona.+

       5 Manam-bava ireny sampy ireny, fa tsy miteny;+

      Mana-maso, fa tsy mahita;

       6 Manan-tsofina, fa tsy maheno;

      Manana orona, fa tsy mandre fofona;

       7 Manan-tanana, fa tsy mahatsapa;

      Manan-tongotra, fa tsy mandeha;+

      Ary tsy mahavoaka feo ny tendany.+

       8 Ho lasa hoatr’ireny ny olona manao azy,+

      Sy izay rehetra matoky azy.+

  • Isaia 46:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  6 Misy olona mandraraka volamena be dia be avy ao amin’ny kitapom-bolany,

      Dia mandanja volafotsy amin’ny mizana.

      Manakarama mpanefy izy ireo, ka amboariny ho lasa andriamanitra ilay volafotsy.+

      Dia miondrika izy ireo, ary mivavaka* aminy.+

  • Asan’ny Apostoly 17:29
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 29 “Koa satria zanak’Andriamanitra* isika,+ dia tsy tokony hieritreritra an’Andriamanitra ho toy ny zavatra vita amin’ny volamena na volafotsy na vato, na hoatran’ny sary sokitra noforonin’ny olombelona sy niangaliany.+

  • 1 Korintianina 10:19
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Te hilaza ve aho hoe misy dikany izay sorona atao ho an’ny sampy, na hoe misy dikany ny sampy?

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara