-
2 Samoela 7:15-17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ho tia azy sy tsy hivadika aminy mihitsy aho, fa tsy hanao hoatran’ny nataoko tamin’i Saoly,+ izay nesoriko teo anatrehanao. 16 Haharitra mandrakizay ny taranakao sy ny fanjakanao. Ary ho mafy orina mandrakizay ny seza fiandriananao.”’”+
17 Noresahin’i Natana tamin’i Davida àry izany teny rehetra izany sy ilay fahitana manontolo.+
-
-
1 Mpanjaka 3:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia hoy i Solomona: “Nasehonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe tena tia azy sy tsy nivadika taminy ianao, noho izy tsy nivadika sy nanao ny marina ary nanompo anao tamin’ny fo madio. Ary mbola nasehonao taminy hatramin’izao izany fitiavana lehibe sy tsy fivadihanao izany, ka nomenao zanakalahy hipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy.+
-