-
Deoteronomia 16:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary hifaly mandritra ny fety+ ianao sy ny zanakao lahy, ny zanakao vavy, ny mpanompolahinao, ny mpanompovavinao, ny Levita, ny vahiny, ny kamboty ray, ary ny mpitondratena ao an-tanànanao.
-
-
Deoteronomia 16:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Intelo isan-taona ny lehilahy rehetra eo aminao no hiseho eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitrao, any amin’ilay toerana fidiny: Amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay,+ sy ny Fetin’ireo Herinandro,+ ary ny Fetin’ny Trano Rantsankazo.*+ Tsy tokony hisy hitondra tanam-polo rehefa mankeo anatrehan’i Jehovah.
-
-
2 Tantara 30:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Ary nanapa-kevitra ny fiangonana manontolo fa hankalaza an’ilay fety mandritra ny fito andro fanampiny. Koa nankalaza an’ilay izy nandritra ny fito andro fanampiny izy ireo sady falifaly.+ 24 Dia nanome ombilahy 1 000 sy ondry 7 000 ho an’ny fiangonana i Hezekia mpanjakan’ny Joda. Ny andriana kosa nanome ombilahy 1 000 sy ondry 10 000.+ Ary be dia be ny mpisorona nanamasina ny tenany.+
-