-
Ohabolana 21:18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Ny ratsy fanahy no omena hanavotana ny olo-marina,
Ary ny mpivadika no hatao solon’ny olo-marina.+
-
-
Daniela 6:23, 24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Dia faly be ny mpanjaka, ka nasainy nampiakarina avy tao amin’ilay lavaka i Daniela. Rehefa tafakatra avy tao i Daniela, dia hita fa tsy naninona mihitsy izy, satria natoky an’ilay Andriamaniny.+
24 Nanome baiko ny mpanjaka avy eo, dia nalaina ireo lehilahy niampanga* an’i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona, niaraka tamin’ny vady aman-janany. Mbola tsy tonga tany amin’ny faran’ilay lavaka akory izy ireo dia efa norambasan’ny liona, ka nopotipotehiny daholo ny taolany.+
-