-
Eksodosy 15:20, 21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia naka ampongatapaka i Miriama mpaminanivavy, anabavin’i Arona. Ary nitondra ampongatapaka nanaraka azy ny vehivavy rehetra sady nandihy. 21 Namaly ny hiran’ireo lehilahy i Miriama, ka nihira hoe:
“Mihirà ho an’i Jehovah, fa lasa misandratra avo dia avo izy.+
Natsipiny mafy tao an-dranomasina ny soavaly sy ny mpitaingina azy.”+
-
-
Estera 9:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Tamin’ireo andro ireo mantsy ny Jiosy no nafahana tamin’ny fahavalony. Tamin’io volana io koa ny alahelony no nivadika ho fifaliana, ary ny andro fahoriany+ lasa andro fanaovana fety. Tokony hankalaza an’ireo andro ireo izy ireo ka hanao fety sy hifalifaly, sady hifanatitra sakafo sy hanao fanomezana ho an’ny mahantra.
-