-
2 Samoela 3:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nankao amin’ny mpanjaka àry i Joaba, ka niteny hoe: “Fa inona izany nataonao izany? Hay tonga teto aminao i Abnera! Dia maninona izy no navelanao handeha? Izao izy lasa fotsiny.
-
-
2 Samoela 3:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Hoy ny mpanjaka avy eo tamin’ny mpanompony: “Tsy fantatrareo ve fa andriana sady lehilahy nahavita zavatra niavaka no lavo teo amin’ny Israely androany?+ 39 Malemy aho androany na dia voahosotra ho mpanjaka+ aza. Fa amiko dia mahery setra loatra+ ireo zanakalahin’i Zeroia+ ireo. I Jehovah anie hamaly ny mpanao ratsy araka ny ratsy nataony!”+
-
-
Ohabolana 30:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Ireto misy zavatra telo mampikorontana ny tany,
Eny, zavatra efatra tsy zakany mihitsy:
22 Rehefa ny mpanompo no lasa mpanjaka,+
Ary ny adala no lasa voky be,
-
Mpitoriteny 10:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ny mpanompo indray no hitako mitaingin-tsoavaly, fa ny andriana kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.+
-
-
-