-
2 Mpanjaka 5:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 dia nieritreritra i Gehazy+ mpanompon’i Elisa lehilahin’Andriamanitra+ hoe: ‘Navelan’ny tompoko handeha fotsiny i Namàna+ Syrianina, fa tsy noraisiny izay zavatra nentiny. Raha mbola velona koa i Jehovah, dia hihazakazaka hanenjika azy aho ka haka zavatra avy aminy.’ 21 Lasa nanenjika an’i Namàna àry i Gehazy. Rehefa nahatazana olona nihazakazaka nanenjika azy i Namàna, dia nidina avy teo amin’ny kalesiny mba hitsena azy, ka nilaza hoe: “Misy olana angaha?” 22 Ary hoy i Gehazy: “Tsisy ka! Nirahin’ny tompoko aho hilaza hoe: ‘Misy tovolahy roa, zanaky ny mpaminany, vao tonga atỳ amiko izao. Avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima ry zareo. Mba omeo volafotsy iray talenta sy akanjo+ vaovao roa* re ry zareo, azafady e!’”
-
-
Jeremia 17:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
Handao azy izany harenany izany raha vao misasaka ny androm-piainany,
Ary ho hita amin’ny farany fa tsy misy saina izy.”
-