-
1 Mpanjaka 22:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Dia hoy ny mpanjakan’ny Israely tamin’i Josafata: “Mbola misy lehilahy iray any azontsika asaina manontany an’i Jehovah.+ I Mikaia zanak’i Jimla! Halako anefa izy+ satria tsy mba maminany zavatra tsara momba ahy mihitsy fa zava-dratsy foana.”+ Hoy anefa i Josafata: “Aza dia miteny hoatr’izany, ry mpanjaka ô!”
-
-
2 Tantara 25:15, 16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tezitra be tamin’i Amazia àry i Jehovah, dia naniraka mpaminany hilaza taminy hoe: “Fa maninona ianao no manompo ny andriamanitry ny firenen-kafa, nefa ireny aza tsy nahavonjy ny vahoakany teo am-pelatananao akory?”+ 16 Mbola tsy tapitra akory ny tenin’ilay mpaminany, dia hoy ny mpanjaka: “Angaha izahay nanendry anao ho mpanolo-tsain’ny mpanjaka?+ Aoka izay,+ sao matin’ny olona eo ianao!” Dia tsy niteny intsony ilay mpaminany, fa hoy fotsiny izy: “Fantatro fa efa tapa-kevitra ny handringana anao Andriamanitra, satria nanao an’izany ianao sady tsy nihaino ny torohevitro.”+
-