-
Tononkiran’i Solomona 6:5-7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Avilio tsy hijery ahy ny masonao,+
Fa babon’ny masonao tanteraka aho.
Ny volonao dia hoatran’ny andian’osy
Miara-midina avy eny Gileada.+
6 Ny nifinao dia toy ny andian’ondry
Izay miakatra avy ao anaty rano nanasana azy.
Miteraka kambana izy rehetra,
Ary tsy misy tsy mahavanona anaka.
7 Hoatran’ny silaka ampongabendanitra
Ny takolakao* ao anaty voaly.
-