- 
	                        
            
            Deoteronomia 29:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
22 “Rehefa mahita ny loza sy ny aretina halefan’i Jehovah amin’ity tany ity ny taranaka handimby ny zanakareo sy ny vahiny avy any an-tany lavitra,—23 fa ho hitan’izy ireo hoe ho ravaravan’ny solifara sy ny sira ary ny afo mandoro ilay tany manontolo ka tsy hamafazam-boa sady tsy hisy voa hitsimoka na zavatra haniry, hoatran’ny nandravana an’i Sodoma sy Gomora+ sy Adma ary Zeboima,+ izay noravan’i Jehovah satria tezitra be izy sady nisafoaka—
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Jeremia 25:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
11 Dia ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka hanjary hampihorohoro. Ary hanompo an’ilay mpanjakan’i Babylona mandritra ny 70 taona+ ireo firenena ireo.”’
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Jeremia 45:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
4 “Koa lazao amin’i Baroka hoe: ‘Izao no tenin’i Jehovah: “Horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia ilay tany manontolo.+
 
 -